Sport

Tournoi de Vacances 3FA 2018 Analamanga sy Betsiboka no mandray anjara


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Nosokafan’ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa Benjamin notronon’ny ben’ny tanànan’Ankadikely sy ny Pds-n’i Manandrina ary ny filohan’ny 3Fa,

 

tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 21 aogositra teo amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny lalao baolina kitra “Tournoi de Vacances 2018” karakarain’ny klioba 3FA Avaradrano ka natao hampisongadinana ny katitakely (Débutant, U 10, U 13, U 15) sy ireo tanora (U 17, U 20 ary U 23), na dia efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 20 aogositra teo aza ny fifaninanana hoan’ireo katitakely hatramin’ny U 13. Taorian’ny filaharana nataon’ireo ekipa mandray anjara sy kabary fanokafana fohifohy nifandimbiasan’ireo tompon’andraikitra  dia notohizana tamin’ny fifaninanan’ny sokajy U 15 ny tena lalao omaly talata ary ny sokajy U 17 indray no miakatra kianja amin’ity alarobia 22 aogositra ity.Marihana fa ekipa miisa 18 avy amin’ny Faritra Analamanga sy Betsiboka no tonga mandray anjara. Amin’ny alahady 26 aogositra izao vao hifarana ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT