Sport

« Tournoi de qualification olympique de boxe » Malagasy mianadahy no hiatrik’ady any Dakar Sénégal


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Hanomboka anio alakamisy 20 febroary, ao Dakar Sénégal ka tsy hifarana raha tsy amin’ny sabotsy 23 febroary 2020 izao,

 

 

 

 ny fifaninanana ady totohondry TQO “Tournoi de Qualification Olympique 2020 de boxe” ka mpikatroka mahatratra 221 isa (164 lehilahy ary 57 vehivavy) avy amin’ny firenena Afrikanina 39 no handray anjara amin’ny fifaninanana. Ho an’i Madagasikara manokana dia mpikatroka mianadahy dia Rasoarinoro Marie Madeleine sokajin-danja -57 kg sy Andrianarivelo Marco Jerôme sokajin-danja -52 kg no hiatrika an’izany. Ilay mpazatra kalaza fahiny tamin’ity taranja ity, Augustin Célestin Félice no mitarika azy ireo.

Marihina fa ny mpikatroka ady totohonry vavy mendrika miisa 11 sy mpikatroka ady totohondry lahy mendrika miisa  22 tafavoaka amin’ity  TQO ity no hahazo ny tapakila hahazoan miatrika ny Lalao Olimpika hatao any Tokyo amin’ity taona 2020 ity.

 

 Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT