Sport

« Tournoi de Pâques 3FA 2018 » Ho lalao nasionaly kely mihitsy


  • Talata 06 Martsa 2018

Karazana fifaninana nasionaly kely mihitsy ny fifaninanana « Tournoi de Pâques 3FA 2018 » niantsoan’ny mpikarakara an’ireo solontenan’ny klioba eto Analamanga niara-nifampidinika taminy teny amin’ny salle polyvalente Sabotsy Namehana ny sabotsy 03 martsa 2018 lasa teo.

Fantatra  tamin’izany fa ny alatsinainy 26 martsa 2018 no fandraisana ireo ekipa ivelan’ny Faritra Analamanga sady fivoriana fizarana vondrona isaky ny sokajy. Ny talata 27 Martsa kosa dia efa hiakatra kianja ny sokajy 23 taona. Ny alarobia 28 martsa dia anjaran’ny sokajy 17 sy 20 taona ary ny Vehivavy no hiakatra kianja ary amin’io andro io koa dia hisy ny filaharana handraisan’ireo ekipa rehetra anjara. Ny alakamisy 29 martsa dia hiakatra kianja koa ny sokajy débutant, 10 , 13 , 15 taona. Ny zoma 30 martsa kosa dia efa miditra amin’ny tsotsorimamba hisarahana ny sokajy 17, 20 ary ny 23 taona. Amin’ny sabotsy 31 martsa dia ho an’ny sokajy 15 taona no midina no hiditra amin’izay tsotsorimamba hisarahana izay, miaraka amin’ny lalao famaranana. Ny alahady 01 aprily 2018 no hamitana ireo lalao famaranana ho an’ny sokajy 20 sy 23 taona ary ny vehivavy.

Faritra 7 hatreto no efa fantatra fa manana solontena handray anjara : 

Faritra Analamanga : 3fa Avaradrano, Herofoot Sab/Nam, Fctm Mahamasina, Boca espoir Sab/Nam, Fc Viva Antehiroka , Irfc Ilafy , Capvert Mandrosoa Ankadikely , Fc 105 Avaratr’Ivato , Reel Ambohimangakely , Asot Andrefanambohijanahary , Js3a Sab/Nam , Rla Anosy Avaratra ,Leopard Ambohipanja , Cfa Firaisana faha VI, Ravinala Ambatomitsangana, Ersa Antanandrano , Zamia/Rfb Antsimondrano , Jsa Ankadikely , Slk Ankadikely , Lyon Sport Ambohimanga Rova, Kfa Analamahitsy,Ufa Sab/Nam

Faritra Vakinakaratra : Ffb Antsirabe

Faritra Betsiboka : Asst Tsimaloto Andriamena distrikan’ny Tsaratanana, Ascuf Maevatanana, Ascoma Andriba ,  Fc Avenir Andriba

Faritra Itasy : Odai

Faritra Bongolava : Fc Valence 

Faritra Alaotra Mangoro : Fc Fitiavana, As Star,

Faritra Boeny : Fc Dandjy , Tiens.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT