Sport

« Tournoi de Pâques 2018 3FA » Nanjakan’i Sabotsy Namehana tanteraka


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Ny talata 26 martsa ka hatramin’ny alahady 1 aprily 2018 lasa teo no nanatanterahana ny « Tournoi de Pâques 2018 » nokarakarain’ny Club 3FA Avaradrano tarihan’ny filohany, Rakotonirina Harison Philibert, teny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny kianja Herisetra Rafanodiana teny Sabotsy Namehana.

 

 Tratra ny tanjona, hoy ny mpikarakara satria Faritra 8 no nisy ekipa mpitaiza tanora no nandray anjara  dia Analamanga mpampiatrano,  Boeny, Betsiboka, Sofia, Itasy, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Bongolava ary tafapaka tany amin’ireo mpandray anjara ny hafatra amin’ny tokony hanajana ny  “FAIR PLAY” na dia nisy ihany ary ireo mpijery tsy mahazaka ny faharesen’ny ekipany teny antsefatsefany teny. Ity fifaninanana ity moa dia teo ambany fiahian’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet, ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa Benjamin ary ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Andriamanganoro Georges. Nanjaka tamin’ny ankapobeny ny ekipa avy eny Sabotsy Namehana nandrombaka amboara 5 be izao raha amboara iray avy ho an’i Boeny, Sofia ary Itasy. Any Mahajanga indray ny fotoanan’ny rehetra ny alatsinainy 3 septambra ka hatramin’ny alakamisy 6 septambra 2018 hanatanterahana ny andiany fahavalo amin’ny “Tournoi DANDJY-3FA” ho an’ny sokajy 10, 13, 15, 17 taona ary ny vehivavy.

Vokatry ny famaranana rehetra :

Sokajy Débutant : Ufa Sab/Nam Avaradrano Analamanga vs Boca espoir Sab/Nam Avaradrano Analamanga ( 1-0 )

Sokajy 10 taona : Fc 417 Sab/Nam Avaradrano Analamanga vs Boca espoir Sab/Nam Avaradrano Analamanga ( 0-1 )

Sokajy 13 taona : Ufa Sab/Nam Avaradrano Analamanga vs Dandjy Boeny ( 3-1  tirs au but )

Sokajy 15 taona : Dandjy Boeny vs Jsa Ankadikely Avaradrano Analamanga 3-0 )

Sokajy 17 taona : Fc Réleve Sab/Nam Avaradrano Analamanga vs Olive verte Atsinanana ( 5-4  tirs au but)

Sokajy 20 taona : Psg junior Sofia vs Ajesafa Alaotra Mangoro ( 5-4  tirs au but)

Sokajy 23 taona : Ojai Imerintsiatosika Itasy  vs Leopard Ambohipanja Analamanga ( 2-0 )

Sokajy Vehivavy : Emico Sab/Nam Avaradrano Analamanga vs Ojai Imerintsiatosika Itasy  ( 4-3 tirs au but).

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT