Sport

Tournoi de Noël 2017 Omby 2 no tafavoaka tetsy amin’ny ANS tamin’ny alahady


  • Talata 06 Febroary 2018

Omby 2 tamin’ny 3 niadiana no tafavaola tetsy amin’ny Ans Ampefiloha ny alahady 04 febroary 2018 tamin’ny lalao famaranan’ny « Coupe de Noël 2017” eo amin’ny taranja rugby à XV nokarakarain’ny Association FMTR sy ny fikambanana Fitahina tarihan’ny filohany Rajaonatahina Bako.

 

 Noho ny toe-draharaha niaraha-nahalala izay niseho teto amin’ny firenena dia tamin’io alahady 04 febroary vao azo notanterahina ireo lalao famaranana tamin’ity fifaninanana ity na dia efa tamin’ny volana desambra 2017 aza no vita ny fifanintsanana rehetra taminy. Miara-miasa ary mitambatra mihitsy ny fikambanana mpanao rugby eny ambany tanàna sy ny fikambanana Fitahina manomboka eto, hoy Rtoa Fitahina, amin’ny fanaovana asa soa fiahiana ny sosialim-bahoaka sy ny fikarakarana lalao ara-panatanjahantena isan-karazany. Tamin’ireto lalao famaranana rugby ireto dia amboara 6 sy omby 3 no natolotr’izy ireo ho an’ireo mpandray anjara tonga teo amin’ny famaranana. Anisan’ireo nandroaka omby tamin’izany ny 2 Ri Isotry nandresy ny 3Fj Ampefiloha sy ny Scm Manarintsoa nandresy ny Zazanavela Andavamamba. Haverina kosa noho ny firotsahan’ny orana be loatra ny lalaon’i Jiad Anjezika sy ny Jsaa Ampefiloha.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT