Sport

« Tournoi baskety Ady omby d'Ambohimanarina 2.0 » Nahery ny JCSA vehivavy sy ny UNITE lehilahy


  • Talata 23 Janoary 2018

Nahery ny ekipan’ny Jcsa Ambohimanarina vehivavy, nandresy tamin’ny mokafohy ny Bad Team Alarobia (62-61).

Ny Unite Ambohimanarina lehilahy kosa nandavo an’ny At2b Andraisoro (86-76) ka nandrombaka ny amboara sy ny omby natao amboara tsirairay avy tamin’ny fifaninanana “Ady omby d’Ambohimanarina 2.0” notontosaina teny an-toerana ka nifarana ny faran’ny herinandro teo. Nitana ny laharana faha-3 avy kosa ny                                           Stk Ambodihady vehivay sy                                                                                                                                                                       ny A Star lehilahy. Marihana fa nahatratra 20 ny ekipa lehilahy nandray anjara tamin’ny fifaninanana ary 10 ireo ekipa vehivavy. Notolorana « certificats de reconnaissance » kosa ireo mpiara-niombon’antoka tamin’ity tournoi ity dia ny FMBB, COLIS EXPRESS, AGF EXPORT ary ny FLY ZONE.

Ntsoavina Evariste


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT