Sport

Tournée de l’égalité Zaza Malagasy 12 no hitety an’i Frantsa


  • Zoma 06 Martsa 2020

Noraisin'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Atoa Tinoka Roberto, tamin’ny talata 03 martsa 2020 teo tetsy amin'ny toeram-piasany etsy Ambohijatovo ny mpanolotsain'ny Masoivoho frantsay

 

 

miasa eto amintsika, Atoa Patrick PEREZ.

Voaresaka nandritra ny fihaonana ny momba ny tetikasa nomena anarana hoe : « Réduire les inégalités femmes- hommes par le Rugby, vecteur de la promotion du genre et de Développement à Madagascar » na " Fampihenana ny tsy Fitoviana eo amin'ny lahy sy ny Vavy amin'ny alalan' ny Lalao Rugby ho fanoitra hampiroboroboana ny miralenta sy fampandrosoana eto Madagasikara " izay iarahan'ny Masoivoho Frantsay , sy ny Fikambanana Terre en Mêlées ary ny minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena miombon'antoka .
Haharitra roa taona ity tetik'asa ity ka mizara sokajy telo :
- sokajy voalohany : " Fampiofanana "
- sokajy faharoa : " Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny miralenta
- sokajy fahatelo : " ireo asa sy ny Fandraharahana mikasika ny Fanatanjahantena .

Ho fanatanterahana izany dia nanao hetsika goavana antsoina hoe " la tournée pour l'égalité " any Frantsa ny mpandrindra an'io tetikasa io nanomboka ny 02 ka hatramin'ny 16 martsa izao.
Zaza Malagasy 12 ( 8 vavy , 4 lahy ) no nasaina amin'izany hetsika goavana izany, hitety tanàna maromaro mamakivaky an'i Frantsa eo anelanelan' i Toulouse, Paris , sy Lille .
Hofaranana amin'ny fanatrehana ny Lalao Rugby tournoi des 6 nations hifanatrehan' i Frantsa sy Irlande ny 15 Mars ho avy izao ny fanasana azon'izy ireo .
Nasain'ny Mpikarakara izany hetsika izany koa Atoa TINOKA Roberto, Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ka hitohy amin'ny fihaonana amin'ny Ministry ny Fanatanjahantena Frantsay Rtoa Roxana Maracineanu sy ny Ambasadaoro ny Fanatanjahantena, Rtoa Laurence Fischer ary koa amin'ny AFD  « Agence Française de Développement ».Izany rehetra izany dia fampitomboana ny fiaraha- miasa miaraka amin'ireo Masoivoho vahiny sy amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin’i Madagasikara mba ho fampiroboroana ny fanatanjahantena sy fanomezan-danja ny tanora eto Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT