Sport

Tounoi de Boules Jeune TIM Ambodimanga Lasan’ny ekipan’i Kambana ny ondry sy amboara


  • Talata 02 Oktobra 2018

Mba ho fanentanana an’ireo tanora TIM firaisana Ambodimanga ao Toamasina tampon-tanàna mba tsy hipetrapetra-potsiny na ho varimbariana fahatany manoloana ny fifidianana ho filoham-pirenena hatrehana amin’ny 7 novambra izao dia nikarakara fifaninanana tsipy kanetibe :

 

 

 

 “Tournoi de boules” tao amin’ny kianja filalaovana ao Tanambao II, ny sabotsy 29 sy alahady 30 septambra 2018 teo, ny fikambanana Jeune TIM ao  amin’ity firaisana ity  izay notarihan’ny filohany, Ramaroson Judicaël. Tonga nanotrona ny lanonam-pamaranana sy nandray anjara tamin’ny fanolorana an’ireo amboara ny filoha lefitry ny Jeune TIM nasionaly, Atoa Vonjy, sy  ny filohan’ny DisTim ao Toamasina I, Atoa Niaina, ary ny filohan’ny ComTim, Rtoa Aina sy ny  filohan’ny Jeune TIM Toamasina, Atoa Jeury. Norombahin-dry kambana mirahalahy ny ambora lehibe sy ny ondry natokana hoan’ny voalohany tamin’izany rehefa nandresy 13-10 an-dry Eric sy Damien teo amin’ny lalao famaranana izy ireo. Marihana fa nahatratra  15 ireo ekipa olon-droa niaraka nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Manome fotoana ny rehetra eny amin’ny Lycée Technique ao Toamasina I indray  amin’ny alahady 7 oktobra izao ity jeune TIM ao Ambodimanga Toamasina ity hanatrika ny lalao “foot à 7” karakarain-dry zareo ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT