Namoaka ny anaran’ireo mpilalao 5 mendrika indrindra tamin’ny dingana voalohan’ny CAN 2019 ny gazety ara-panatanjahantena malaza any Togo
manaraka tsy tapaka an’ity fifaninanana ity. Ilay mpilalao Charles Andriamahitsinoro na Carolus dia anisan’ny Malagasy tafiditra ao anatin’izany :
1-Charles Andriamahitsinoro na Carolus (Madagascar)
2- Mahmoud Hassan alias Trezeguet (Egypte)
3- Aissa Mandi (Algérie)
4- Farouk Miya (Ouganda)
5- Zambo Anguissa (Cameroun)
Mitarika eo amin’ny mpampidi-baolina be indrindra koa i Carolus (Madagascar), i Adam Ouanas (Algerie), i Mickael Poté (Bénin), i Cedrick Bakambu (Rdc), i Ahamed El Mohamady (Egype), i Mohamed Salah (Egypte), i Jordan Ayew (Ghana), i Mohamed Yattara (Guinée), i Emmanuel Okwi (Ouganda) ary i Michael Olunga (Kenya), i Sadio Mané (Senegal) samy efa nahatafiditra baolina 2 avy hatreto.
Fa toy izao kosa ny filaharan’ireo ekipa 8 nangoron’entana sy ny isa azony avy taorian’iny dingana voalohany iny :
Faha-17 : Kenya (faha-3 tao amin’ny vondrona C nahazo isa 3, -4)
Faha-18 : Angola (faha-3 tao amin’ny vondrona E nahazo isa 2, -1)
Faha-19 : Mauritanie (faha-4 tao amin’ny vondrona E nahazo isa 2, -3)
Faha-20 : Guinée-Bissau (faha-4 tao amin’ny vondrona F nahazo isa 1, -4)
Faha-21 : Zimbabwe (faha-4 tao amin’ny vondrona A nahazo isa 1, -5)
Faha-22 : Burundi (faha-4 tao amin’ny vondrona B tsy nahazo isa, -4)
Faha-23 : Namibie (faha-4 tao amin’ny vondrona D tsy nahazo isa, -5)
Faha-24 : Tanzanie (faha-4 tao amin’ny vondrona C tsy nahazo isa, -6)
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.