Sport

Tontolon’ny baolina kitra Mila mpijery, mila vola


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Feno hipoka indray ny Parc de Prince ny talata alina raha nandray ny Bayern ry zareo PSG. Nandodona ny 60 000 ny isan'ny mpijery ka 'y 7000 amin'ireo dia mpanao gazety. Ilona anie izany fa n'y tena mampitolagaga

Dia n'y fahalafon'ny vidim-pidirana. Valo hetsy ariary (200 euros) ny ambany indrindra ary tafiakatra hatrany amin'ny 24 tapitrisa (6000 euros) izany. Ataovy ny kajikajy fa betsaka noho ny vola ilain'ny fanjakana malagasy herintaona no Azo anatin'ny lalao iray Ligue des champions. Mazava izao fa raha te handroso sy hanana mpilalao. malaza dia tsy maintsy mameno kianja amin'ny fidirana lafo. Hatreto anefa dia tena mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny baolina kitra eto an-tanana. Tomefy olona ny arabe raha nitsena ny Barea nefa mangadihady ny kianja tamin'ny fihaonan'ny ASA Nosy Be sy Fosa Juniors. Ity farany anefa no tena nandrafitra ny ekipa tany Alzeria satria nahitana an'i Dax izay voahosotra indroa ho mpilalao mendrika indrindra raha indray mandeha ny an'i Tsiry. Mbola tao koa i Donga, Avizara, Jean Yves ary Rado Kely. Ka na hijery an'ireo fotsiny aza ve est ahafoy roa arivo. Sa hoe ampiana kely izay dia mahazo vary iray kilao ? Mafy e .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT