Anisan’ny rantsana iray ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra ny mpitsara (arbitre), ary tena mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana izany, na eto an-toerana na any ivelany. Ny mampalahelo anefa dia anisan’ny manimba ny baolina kitra malagasy ny mpitsara izay tsy mba voateny sy voalaza loatra rehefa misy tsy fahombiazana ataon’ny
ekipam-pirenena. Marina fa tsy ny mpitsara no manao ny baolina na rehefa misy faharesena dia ny mpitsara no omena tsiny, fa rehefa ao anaty fifaninanana dia matetika ny mpitsara no manao fahadisoana toy ny olona rehetra. Ny tena mampalahelo dia ny fahitana ny mpitsara miandany amin’ny ekipa iray ka zary lasa tsy ilay tena fahaizana sy hery no ahazoana fahombiazana fa ilay fanampiana omen’ny mpitsara ka lasa manimba sy mamitaka avy eo fa hoe tsy resy mihitsy.
Karatra mena diso toerana
Ny mampalahelo dia ireo ekipa izay voalaza fa vaventy sy lehibe no ampian’ny mpitsara ka zary lasa tsy hita ilay fahaizan’ny tanora sy ny ekipa vao misondrotra aty ambany ka rehefa misy fifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena dia tsy maintsy amin’ireo ekipa goavana sy lehibe no tazana sy alaina satria ireo no lasa lavitra amin’ny fifaninanana. Ny mahavariana amin’ny mpitsara dia hoe amin’ny lalao iray tsarainy dia ahitana azy fa masiaka be rehefa manasazy ny fihetsika tsy mety ataon’ny ekipa tsindriany ary rehefa ilay ekipa ampiany moa dia tsy mahazo na karatra mavo aza na dia efa fahadisoana fanahiniana no natao. Tsy misy valaka ny amin’izany ny nahazo ny HEZAMI raha nihaona tamin’ny ekipan’ny seranana, izay mpilalao tsy nahazo karatra mavo akory dia nomena karatra mena avy hatrany noho ny fanapahan-kevitra maika loatra ny handetika ny ekipa iray. Teny atsipy ho an’ny tompon’andraikitra iny mba ahafahany manatsara hatrany ny zavatra ataony ary inoana fa hivoatra miaraka amin’izay ny zavatra rehetra.
Ramano
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.