Tonga ny fotoana

Hitady fandresena ny Barea anio!


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Azo lazaina ho mafimafy ihany ireto andro 2 manaraka ho atrehintsika anio sy ny 24 martsa

izao ao Maraoka ireto ao anatin’ity fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra 2026 atsy Maraoka ity. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana aloha, na izany na tsy izany, dia manome toky ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, Corentin Martins, fa hitady fandresena ny Barea ary efa vonona satria tonga ny fotoana na ny manoloana an’i Centrafrique anio hariva manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lalao, na ny lalao miverina amin’i Ghana ny alatsinainy izao! Hita ho niatrika ny fanomanan-tena farany avokoa omaly ireo heverina ho andry na ny vodilaharana io na ny eo afovoanin’ny kianja na ny ao amin’ny lohalaharana ao. Hita ho miezaka mametraka ny fahaiza-miarak’ireo lohalaharana, indrindra, ireo samy milalao ao Thailande, dia i John Baggio sy Njiva Rakotoharimalala, ny mpanazatra sy ny mpanomana ara-batan’ny Barea. Miezaka mametraka izany ho an’ny rehetra koa ny kapiteny, Rayan Raveloson, izay mbola mahafehy hatrany ny toerana rehetra hametrahana azy na any amin’ny fiarovana na eo afovoany na any aloha hatramin’izao. Marihina fa handeha amin’ny TVM avokoa ireo lalao roa.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT