Tonga manohana ny Barea i Faneva Ima

"Manova fiainana ny baolina! Mandalo


  • Talata 26 Aogositra 2025

mafimafy ny Firenena fa omeo tsiky ny Malagasy"

Isan'ireo namonjy ny ekipam-pirenena miatrika ny CHAN any Tanzanie kapitenin'ny Barea teo aloha Faneva Ima. Nisy ny tolo-tanana sy fanentanana nataony hanohanana ny ekipa. Nisy ny "prime de qualification" sy fitaovana avy amin'ny Fanjakana hahafahana mameno ireo fepetra hananan'ny Barea CHAN ny herijika rehetra amin'ny lalao manoloana an'i Soudan anio. Ny Firaisankina no zava-dehibe! Manohana foana aho raha misy ny zavatra azoko atao toy ny fitaovana na dia zavatra kelikely aza. Isaorana ihany koa ny tompon'andraikitra rehetra satria tonga tamin'izao toerana izao ny ekipa raha tsy teo izy ireo, hoy i Faneva Ima. Mila mifanohana isika, ohatran'ny Firenena ihany, hoy izy nanamafy. "Ny Firenentsika mila ny hery rehetra iarahana mandroso. Tonga manohana Aho amin'ny maha mpilalalao. Tsy nanana vintana Aho nanao "démi-finale" izany tamin'ny naha mpilalalao. Tsy nanana"chance" izahay sy ny andiany niaraka tamiko. Manana herijika hanova fiainana ianareo izao Izahay mpanohana fotsiny, andro iray hanovana ny fiainana io! Manova fiainana ny baolina kitra, anjaranareo rehetra izany fa izahay manohana fotsiny.", hoy izy. Mbola nampiany hoe: "Tsy ny Filohan'ny Repoblika no hanova ny fiainanareo, tsy ny Filohan'ny FMF, tsy ny Filohan'ny ligy, tsy izaho,... fa ianareo. Andro iray hanovana fiainana io ry zandry". "Ny Firenentsika amin'izao fotoana izao mandalo mafimafy! Fa na izany, afaka manome fitsikiana ny vahoaka Malagasy ianareo. Omeo fifaliana ny vahoaka Malagasy ry zandry! Miadiva mafy, fa miady ho anareo izahay!", hoy hatrany i Faneva Ima nandrisika ny mpilalaon'ny Barea CHAN. Nanamafy kosa ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe, fa vonona ary hanome ny heriny rehetra ny mpilalao sy ireo mpitantana. Alefa Barea !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT