Sport

Tompondakan’ny UFFOI 2019 Notolorana 1 tapitrisa avy ny Barea vehivavy


  • Zoma 27 Desambra 2019

Nandray ny ekipam-pirenena vehivavy Barea U20 vehivavy, izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny « Tournoi UFFOI 2019 » natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy,

 

ny filoham-pirenena omaly alakamisy 26 desambra 2019 tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Voalohany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara no nibatan’ny ekipam-pirenena vehivavy io amboara io. Niarahaba manokana ireto mpilalao baolina kitra ireto ny tenany nitondra avo ny voninahi-pirenena. Noho izany dia nanolotra ho azy ireo « prime » mitentina 1 tapitrisa ariary tsirairay avy miaraka amin'ireo mpikarakara ara-teknika ny filoham-pirenena. Nitondra ny teny fisaorana amin’ny anaran’ny federasiona sy ny ekipa iray manontolo ny filohan’ny FMF Raoul Arizaka Rabekoto izay nankasitraka manokana ny filoha Andry Rajoelina amin’ny fanohanany ny taranja baolina kitra Malagasy sy ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT