Sport

Tompondakan’ny Kick Boxing 2018 Notoloran’ny filohan’ny Federasiona 1.000.000 ariary avy


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Mpikatroka niisa 79 avy amin’ny ligim-paritra 10 amin’ny 14 misy eo amin’ny taranja Kick Boxing Malagasy no niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ity taranja ity (Low kick sy K-1) nandritra ny 3 andro nisesy 14,15,16 desambra 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina Antananarivo.

 

Ny 19 lahy sy vavy tamin’izy ireo no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2018 ka samy notoloran’ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny  “Kick Boxing et D. A” taratasim-bola nitentina 1.000.000 ariary tsirairay avy ary mbola notolorana medaly volamena tsirairay avy sy sertifika avy koa. Notolorana medaly volafotsy sy sertifika ihany koa ireo resy teo amin’ny lalao famaranana. Tsy  mahafa-po ny vokatra azo, hoy i Mamy Be “Andrianome Mamy” filohan’ny federasiona am-perinasa fa mbola mila hiezaka  hanatanteraka fifaninanana betsaka isika amin’io taona 2019 io mialoha ny hifantenana an’ireo solontena Malagasy hiatrika ny Mondial Kick Boxing 2019. Nanafatra an’ireo teknisianin’ny ligim-paritra rehetra ny tenany mba ho mpikatroka tena avo lenta tokoa no fiadiana hiatrika ny ho tompondaka nasionaly amin’ny manaraka. Nisy lesoka be hita kosa teo amin’ny lafiny fitsarana ny lalao izay tsy maintsy handraisana fepetra matotra ireo voaporofo fa nanao fitsarana tsy nety, hoy Atoa Harinirina Gastros Anigael.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT