Sport

Tompondakan’ny “Basket 3x3” Fandraisana olo-manankaja no natao


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Araka ny efa nitaterana azy teo amin’ity gazety ity omaly dia tafaverina an-tanindrazana omaly alarobia 28 aogositra 2019 tolakandro ny delegasiona Malagasin’ny taranja basikety 3 x 3

 

 

notarihan’ny mpandrindra an’ity taranja ity eo anivon’ny FMBB, Mihary Randriana, niaraka amin’ny coach Deda Randrianarisoa ary nahitana mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Elly, Arnold ary i Fiary). Ny Kaomisera solontenan’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka sy ny solontena avy ao  amin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena (Dgj)  sy ny solontenan’ny Fmbb « Federasion’ny Basikety Malagasy » (filoha lefitra) izay samy nisaotra sy nankasitraka an’ireto maherifo nanandratra avo ny voninahi-pirenena tany Maroc ireto no nitarika ny fitsenana hatreny amin’ny « Salon d’honneur » an’ny seranam-piaramanidina teny Ivato ka hatreny amin’ny Live hotel eny Andavamba nanomanan’ny Mjs fialana hetaheta tsotra ho azy ireo sy ireo mpitsena azy. Azo ambara fa fandraisana olo-manankaja no natao ho an’ireto maherifo ireto. Nialohavana « Motard » mpitari-dalana sy fiarana polisy mpisava lalana ary mbola nofaranan’ny fiaran’ny polisy iray hafa koa mantsy ny « Cortège » nanaraka an’ireto delegasiona ireto. Mbola ho avy, hoy ny feo heno omaly teny Ivato ny fandraisan’ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny fanatanjahantena  ofisialy azy ireo tsy ho ela fa santatra ambaravarano fotsiny iny natao omaly iny. Azo inoana koa ny handraisan’ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy sekreteram-panjakan’ny Zandarimariam-pirenena azy ireo noho izy 4 mirahalahy avy aminy Cospn sy ny Gnbc.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT