Sport

Tompondakan’ny “Basket 3 x 3” Ho tonga anio ireo maherifontsika


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Higadona eto an-tanindrazana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato anio alarobia 28 aogositra 2019 amin'ny 3ora sy 35 minitra ny delegasiona Malagasy amin’ny taranja basket 3 x 3

 

 

 avy nandray anjara tamin’ny Lalao Afrikanina natao tany Maroc ahitana an’ireo mpilalao maherifo 4 mirahalahy dia i Elly, Arnold, Livio ary i Fiaray izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ity taranja ity.   Misy fandaminana nomanin’ny FMBB « Federasiona Malagasy ny taranja Basket-ball » amin’ny fitsenana azy ireo ankoatra ny fankaherezana hantenaina amin’ny vahoaka Malagasy toy ireny nitsenana ny Barea avy any Egypte ireny.

Tsiahivina fa i Angola no resin’ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny isa 19-18 teo amin’ny lalao 1/4-dalana tamin’ity fifaninanana ity, I Mali no nailiny teo amin’ny lalao manasa-dalana tamin’ny 11-9 ary Egypte no resiny teo amin’ny lalao famaranana tamin’ny isa 21-19.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT