Sport

Tompondakan’i Thailande Mpamono baolina betsaka indrindra i Baggio


  • Talata 24 Novambra 2020

Ilay lohalaharana Malagasy, John Baggio, izay milalao ao amin’ny Sukhothai FC,

 

 

divizionina voalohany ao Thailande, no mpamono baolina betsaka indrindra amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra ao an-toerana ankehitriny. Miisa 9 hatreto ny baolina tafidiny tao anatin’izay andro faha 11n’ny Toyota Thai league 2020 ity. Manaraka azy ao ny mpilalaon’ny Singha Chiangra United, Bill, sy ilay lohalaharan’ny Port FC, Suarez, izay samy nahatafiditra baolina miisa 8. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa I Roller, izay ao amin’ny Ratchaburi Mitr Phol F.C, sy Willen, ao amin’ny PT Prachuap F.C, izay samy nahatafiditra baolina 7. Isan’ireo mpilalao maniry mafy ny hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barea efa ela moa ny tenany ary raha ny zava-bita eo amin’ireo samy Malagasy milalao any an-toerana aloha dia izy no azo heverina fa mamiratra indrindra na dia mirefy 1,58 metatra sy milanja 52 kilao monja aza. 28 taona izy izao.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT