Sport

Tompondakan’I Afrika - Hand Ball Nanainga ny sabotsy teo ny Akio


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Nanainga ny sabotsy teo hihazo an’I Kigali, Rwanda ny Akio na ny ekipam-pirenena malagasin’ny Handball latsaky ny 18 taona na U-18.

Hiatrika ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika nanomboka iny 27 aogositra iny hatramin’ny 6 septambra izao moa no anton-dia. Ny toetoetra mampiavaka ny Akio na atsantsa ka mahatonga azy ho biby tena atahorana any anaty ranomasina no ilaina amin'ny handball, hoy ny fanazavana tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy, nandritrin’ny tafa an-gazety nataon’izy ireo farany nialoha izao fihaingana izao. Izay no anton'ny safidy tamin'io anarana io, hoy ny federasionina malagasin’ny Hand Ball. Vonona hanandratra avo ny voninahim-pirenena ihany koa ny Akio U18, hoy ireo mpilalao. Minisitra miisa 2 dia ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo sy ny minisitry ny jono kosa no minisitra mpiahy ireto maherifon’ny firenena ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT