Sport

Tompondakan’i Afrika 2019 Basikety 3 x 3 Hanomboka anio any Ouganda


  • Zoma 08 Novambra 2019

Any an-drenivohitr’i Ouganda manomboka anio zoma 08 novambra ka hatramin’ny 10 novambra 2019 izao no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika 2019 eo amin’ny taranja basikety 3x3 .

 

Araka ny vaovao voaray dia efa any Ougana hatramin’ny omaly alakamisy maraina ny delegasiona Malagasy handray anjara amin’izany fifaninanana izany izay notarihan-dRandrainarison Rina miaraka amin’ny mpanazatra Deda Randranarivolo ary mpialalao 4 miarahalahy dia i Arnold Solondrainy - Elly Randriamampionona - Fabrice Mandimbison - John Ravelomanantsoa.

Marihana fa hanatrika ny “clinique” na  fampiofanana ho an’ny mpitsara 3 X 3 ny solontena Malagasy ahitana an’i Tojo Andriamanantsoa sy Yann Davidson.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT