Sport

Tompondakan’Analamanga Hiady ny ¼-dalana ny Sainte Anne


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Niditra tamin’ny 1/8-ndalana ny fiadiana izay ho tompondakan’ny diviziona voalohany eto Analamanga eo amin’ny taranja baolina kitra nanomboka ny sabotsy teo.

Toy izao no vokatra voaray nandritra ireo lalao natao tetsy amin’ny kianja Ambohidratrimo. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny COSPN tao aorian’ny fanalavam-potoana nanoloana ny ekipan’ny JFFA. Ny AS Sainte Anne nandavo ny TFC na Tana formation 2 noho 0 ka dia isan’ny hiady ny ¼-dalana koa araka izany. Baolina tafidtr’i Mick teo amin’ny minitra faha 30 ary nampian’i Datsiky na i Rasta teo amin’ny minitra faha 65. Nandresy tamin’ny tsotsoromamba na «tire au but» kosa ny Bayern rehefa nisaraka 3 noho 3 nanoloana ny US Pro nandritry ny fizaram-potoana ara-dalàna. Nandresy 1 noho 0 ny Requin bleu ny FC Rouge, raha ny fampitam-baovao sy vokatra voaray hatrany hatreto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT