Sport

Tompondakan'ny Afrika eo amin’ny Tennis - U14 Resy teo amin'ny famaranana i Mirija sy Mahery


  • Talata 21 Martsa 2023

Nanao ny tsy nambinina ka hiantrao fa havana ory. Izany no azo hilazana an'i Mirija Andriatefihasina sy Mahery

Raoily izay resin'ireo Tonizianina, Ahmed Darmoul sy Anas Ben Youssef, tamin'ny seta 2 noho 0 (6/2 ; 6/2). Famaranana izay natao omaly tany Lomé ary niady ihany tsy arakaraky ny havesatry ny tarehy marika satria matetika no tonga 40-40 fa eo amin'ny famaranana no mamotsitra ny Malagasy. Maro anefa no nihemotra fa lasan'i Mirija sy Mahery ny amboara taorian'ny namotsanany ireo avy any Mali, Tiekero Sow sy Abdoul Karim Coulibaly teo amin'ny manasa-dalana (7/6 ; 6/3) . Tena niakatra ny ahavo teknika ny tennis afrikanina raha oharina amin'ny tamin'ny efa-taona farany hoy Dina Razafimahatratra mpanazatra. Mendri-piderana i Mirija sy Mahery tonga tany amin'ny famaranana ary voaporofo izao fa efa misy ny zaza handimby. Mila atao matotra fotsiny hoy i Dina izay mipetraka any Libreville ny fiara-miasa amin'ny rehetra satria mahatoky izy fa voafehin'ny Tale Teknika Nasionaly Max Randriantefy ny eto an-tanana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT