Sport

Tompondakan’i Madagasikara Lasan’i Zoujou ny triathlon, Roger ny duathlon


  • Alatsinainy 20 Aprily 2015

Nanjakan’ny Ecta Vakinankaratra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara andiany fah-2 amin’ny triathlon, duathlon ary aquathlon natao teny Mantasoa ny alahady teo.

 Nahatratra 113 ireo nandray anjara nahitana ny avy any Vakinankaratra, Analamanga, Anosy ary Atsinanana. Voatazon’Andriafenomanana Zoujou avy amin’ny Ecta ny anaram-boninahitra tamin’ny triathlon  ka 1.18.26 no fotoana vitany. Fah-2 Randriamanalina Joahary avy amin’ny Casta Analamanga (1.22.30) ary fah-3 Razafindrafidy Tino (Casta-1.22.54). Nahazo ny sokajy vehivavy kosa Rabetsaroana Andriniaina avy amin’ny Casta (1.42.37), fah-2 Andrianalifera Fanasina avy amin’ny Sirenes 110 (1.43.04) ary fah-3 Ramiandrasoa Ranto (Casta-1.49.17). Adin’ny mpitaingina bisikileta sy mpanao hazakazaka lavitrezaka kosa ny duathlon sokajy lehilahy. Lah-1 Randrianambinina Roger avy amin’ny Ecta (1.11.34), fah-2 Randrianirina Joachim (Cnaps-1.13.59) ary fah-3 Andriamifidy Tojonirina avy amin’ny Akamasoa (1.14.48). Lasan-dRamampiandra Safidy Elinoro avy amin’ny Ecta ny vehivavy (1.36.10), fah-2 Andrianirina Viviane (Sport Plus- 2.10.07) ary fah-3 Rasoavololona Clarette (Akamasoa- 2.18.28). Tamin’ny triathlon isan-tarika dia lasan’ny LFT ny lehilahy (1.32.43) ary ny Ny Havana ho an’ny vehivavy (2.17.38). Iny fifaninanam-pirenena iny moa no nifantenana ireo atleta efa-dahy sy vavy avy hifaninana amin’ny triathlon sy duathlon amin’ny lalaon’ny nosy any La Reunion izay marihina fa fampisehoana andrana ihany fa tsy mbola tena fifaninanana. Fa taorian’ny nisokafan’ny sekolin’ny triathlon tany Antsirabe dia nisokatra omaly koa ny eny Mantasoa izay sady toeram-panofanana.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT