Sport

Tompondakan’- Afrika - Boxe Thaï Miantso tolo-tanana i Miora sy Faza


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Ny 11 hatramin’ny 16 novambra izao no ho tanterahana atsy Hurgada, Egypta, ny dingana famaranan’ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja haiady Boxe Thaï.

 Manana solontena miisa 2, sokajy lahy sy vavy hisolontena azy amin’izany fifaninanana iraisampirenena izany isika Malagasy dia I Miora Tiana Andriamiharisoa na Miora, izay efa avy tompondaka tamin’ny “Mon K1 Rules” sy tompondakan’I Afrika teo amin’ny taranja “Full contact”, sokajy vehivavy. Elfazar Fazaraly Razanajatovo kosa na I Faza no solontenantsika ho an’ny sokajy lehilahy. Efa tompondaka lefitra eran-tany teo amin’ny MAS Fight izy ary efa tompondakan’ny Lumpinee stadium. Ankehitriny dia manao antsoavo amin’ny Malagasy rehetra izy ireo mba hanome izay foy ho entiny miatrika ity fifaninanana lehibe ity. Tranga tsy vaovao teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy ny toy izao ary mampametra-panontaniana lalina hoe tsy mba menatra ve ireo tomponandraiki-panjakana nifandimby sy ny ao amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ao satria na inona na inona taranja dia saika antony tsy maha tafainga ireo solontenantsika hiatrika ireo lalao iraisampirenena misy hatrany izay resaka tsy fahampian’ny enti-manana izay? Ny fahafahana mandray anjara amina fifaninanana iraisampirenena toy izao anefa no marika voalohany fa miasa ny mpitantana, indrindra, raha fanatanjahantena no resaka ary io ihany koa no mba hahafahan’ireo atleta mahita lalana hivoarany kokoa eo amin’ny sehatra misy azy sy hahafahany mitondra vokatra tsara ho an’ny fireneny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT