Sport

Tompondaka rejionalin’ny Atletisma Asief Analamanga Lasan’ny ekipan’ny Capsat ny medaly 44


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Tontosa tetsy amin’ny kianjan’Alarobia tamin’ny sabotsy 17 aogositra 2019 teo ny fiadiana ny tompondakan rejionalin’Analamanga hoan’ny seksiona Atletisma Asief na lalao fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana.

 

 

 Ireo karazana hazakazaka rehetra misy eo amin’ity taranja fototra ity no nifaninanana tamin’izany niainga tany amin’ny fifaninanana 60 metatra ka nofaranana  tamin’ny hazakazaka in-4 mifampitohy lahy sy vavy. Nahery tamin’ny ankapobeny ny ekipan’ny toby Capsat nandrombaka medaly niisa 44 (volamena 21, volafotsy  14 ary alimo 9) faharoa ny Primatiora  nahazo medaly 33 (volamena 16, volafotsy 13 ary alimo 4), fahatelo ny  Mptdn (Paositra sy fifandraisan-davitra) nahazo medaly 17 (volamena 8, volafotsy 5  ary alimo 5). Nanotrona ny fihaonana hatramin’ny farany ny filoha nasionalin’ny Asief Atoa John Love sy ny filohan’ny seksion’ny Atletisma Asief Analamanga, Noel Andriampiadanana, izay sady nandray anjara tamin’ny fifaninanana ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT