Sport

Tompondaka nasionaly Basikety N1 A 2017 Nody any Boeny avokoa ny amboara lahy sy vavy


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Noporofoin’ny mpilalaon’i Boeny ny maha sangany azy ireo eo amin’ny taranja basikety baolina.

Norombahin’izy avokoa ny amboaran’ny tompondakan’i Madagasikara miverina na teo amin’ny sokajy lehilahy na teo amin’ny sokajy vehivavy. Omaly alahady 10 desambra 2017 tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina dia lavon’ny Sbbc Mahajanga tamin’ny 71-63 ny ekipan’ny Mb2All Analamanga teo amin’ny lalao famaranana sokajy vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa dia resin’ny Ascb Boeny 71-65 ny Sbbc Boeny. Ankoatra ny amboara azon’izy ireo dia notoloran’ny Telma taratasim-bola 2.000.000 ariary tsirairay avy ireo ekipa tompondaka ireo. Ny ekipan’ny Fandrefiala Analamanga no nitana ny laharana fahatelo eo amin’ny vehivavy raha ny ekipan’ny Ascut Atsinanana kosa teo amin’ny lehilahy. Samy voahosotra ho mpilalao mendrika sady mpampidi-baolina be indrindra  Raholiarisoa Fanja n° 4 Sbbc Boeny vehivavy (237 pts)  sy Randriamampionona Elly n° 25 Ascb Boeny lehilahy (290 pts). Mpampidi-baolina 3 pts be indrindra vehivavy i Mbolatiana Angela Tamifa Amoron’i Mania (28) ary i Donga Stevel Guy Cosfa Analamanga (43). Samy nahazo amboara sy telefaonina Titan Telma avokoa izy ireo (2 ny an’i Fanja sy Elly).

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT