Sport

Tompondaka eran-tanin’ny MMA Handray anjara ny mpikatroka Malagasy


  • Zoma 08 Novambra 2019

Nahazo fanasana manokana avy amin’ny “One Championship” mpiara-mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny Gamma “Global Association of Mixed Martial Arts”

 

 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany voalohany amin’ny taranja MMA hatao any Singapour hotontosaina amin’ny 18 ka hatramin’ny 23 novambra 2019 izao i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Solontenan’ny GFC “Global Fighting Championship” eto Madagasikara niaraka tamin’ny Sensei Rakotonindriana Parfait izay mpitantana vonjimaika ny Federasion’ny MMM sy Kempo eto Madagasikara izay efa neken’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy teo aloha notarihan’ny minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet ny fananganana azy fa miandry fankatoavana avy amin’ny minisitra mpandimby Tinoka Roberto hatreto. Mpikatroka tetsy Ivandry omaly alakamisy 07 novambra Tompondaka Malagasy 4 mianadahy no hiatrika an’izany (Henintsoa - 56,7 kg, Tsinjo - 65,8 kg,  Sitraka – 61,7 kg) izay hiara-kanainga eto Madagasikara miaraka amin’i Manoelle Mahalina ao amin’ny Gfc sy i Sensei Parfait izay ho mpanazatra azy ireo. Ny mpikatroka Patrick – 70,3 kg kosa izay mila ravinahitra any Frantsa dia hamonjy azy ireo avy hatrany any Singapour. Satria ny voninahi-pirenena no harovana amin’ity fifaninanana ity dia miantso ny fanampian’ireo malala-tanana rehetra sy ny filoham-pirenena ary ny minisitera mpiahy hanohana anay, hoy ny Sensei Parfait.

 

Ntsoavina Evariste

 

                                                                                                

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT