Sport

Tompondaka eran-tanin’ny ady totohondry Tsy lasa any Allemagne ny delegasiona Malagasy


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Mbola tsy lasa nihazo an’i Hambourg - Allemagne toerana hanatanterahana ny lalao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja “Boxe amateur” ny atleta Malagasy, Andrianarivelo Marco Jérôme, tokony hiatrika izany miaraka amin’ny delegasiona miaraka aminy izay ahitana olona 4.

Tsy mbola navoakan’ny ministry ny tanora sy ny Tale Jeneralin’ny Tafita ny vola tokony hikarakarana ny Visa sy ny saran-dalan’ity delegasiona ity, araka ny fanazavana nomen’ny Federasion’ny ady totohondry Malagasy tetsy Mahamasina omaly. Malahelo amin’ny zava-misy izahay mpitantana an’ity taranja ity, hoy ry zareo omaly, fa mba nanao ezaka goavana be ity taranja ity tamin’ny fazahoana ny “qualification” ahafahana miatrika ity “Mondiaux” any Allemagne ity ny 20 aogositra- 03 septambra na dia efa 8 taona aza tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny ady totohondry Malagasy. Na dia niverimberina efa in-20 raha kely indrindra tao amin’ny biaraon’ireto tompon’andraikitra ireto aza izahay, dia fandrirarirana hatrany no setriny ary tena hitsoahan’izy ireo mihitsy aza raha ny marina. Izao indray aza dia voatery nitrosa vola handoavana ny “restauration” nampivondronana an’ireo mpilalao tamin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo sy ny fanomanan-tenan’i Marco Jérôme sy ireo “sparring-partners” niaraka taminy nanomboka ny 30 jolay farany teo ka hatramin’izao. Manaitra ny sain’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery sy ny praiministra, Mahafaly Solonandrasana Olivier, izahay ato amin’ny tontolon’ny ady totohondry Malagasy mba hijery akaiky haingana an’ity toe-javatra ity, hoy izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT