Sport

Tompondaka D-1 Ligin’i Bongolava Mampisavorovoro ny fananan’i Yvon AJESAIA « licence » 2


  • Zoma 15 Febroary 2019

« Mbola manankery ve ny lalàna mikasika ny fandrarana fananan’ny mpilalao iray « licence »-na baolina kitra 2 avy amin’ny ligy 2 samihafa eto amintsika ? », hoy ny fanontaniana napetrak’Atoa Andriamiarintsoa Hery Mamy filohan’ny klioban’ny baolina kitra As Andry any Bongolava.

 

 

 

 Voaporofo mantsy, hoy izy, fa manao « double appartenance » fa manana an’io « licence » 2 io dia ny « licence » n° 029/F nomen’ny ligy Alfa tamin’ny taona 2018 sy ny « licence » n° 173 nomen’ny ligin’ny baolina kitran’i Bongolava tamin’io  taona io ihany koa nefa tsy nahavitana « mutation » mazava teo amin’ireo ligy 2 ireo ny mpilalao Rajoarimanana Avotriniaina Yvon nampilalaovin’ny klioban’ny Ajesaia nifanandrina taminay As Andry tamin’ny Poule des As taty Bongolava ny 3 febroary 2019 teo ka nanaovanay « réserve de qualification » satria mbola mpilalaon’ny Elgeco Plus Analamanga no fahafantaranay an’io mpilalao io. Mbola nampanaovin’ity ekipan’ny Ajesaia ity ihany anefa io mpilalao io raha nikatroka indray tamin’ny Fc Miray izy tamin’ny 10 febroary teo ary dia nanaovan’ny filohan’ny Fc Miray Bevato, Rakotoarivony Narindra « réserve de qualification » ihany koa. Gaga izahay anefa mahita anaty gazety sasantsasany, hoy ny filohan’ny As Andry, nilaza fa mety ho lasan’ny klioban’ny Ajesaia indray ny anaram-boninahitra tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra aty Bongolava taona 2019 koa mangataka ny hampisehoan’ny ligin’i Bongolava ny « mutation » mazavan’io mpilalao io avy amin’ny Elgeco Plus mankany amin’ny Ajesaia izahay ary miangavy ihany koa ny fahefana mahefa mitantana ny baolina kitra Malagasy ankehitriny mba hijery sy hanara-maso akaiky an’ity raharaha ity fa marary ny baolina kitra ao amin’ity Faritra ity amin’ny fijery mitanila misy ataon’ny ligy aty an-toerana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT