Sport

Tompon’andraikitry ny baolina kitra « Tokony ho taitaitra daholo amin’izay ! »


  • Talata 06 Aogositra 2019

Tsy misy fahagagana ny fanatanjahantena, hoy ny teknisianina sady efa nitantana kliobana baolina kitra eto Madagasikara, Ndranto Rakotonanahary.

 

 

Azo lazaina hoe nanam-bintana kokoa anefa isika raha mitaha amin’ny mozambikanina raha ireny lalao miverina tamin’ny CHAN ireny. Tsy hoe tsy mahay fa ireny izany no haavo teknikan’ireo mpilalao baolina kitra divizionina voalohany avy eto an-toerana, hoy hatrany izy. Na tsara aza ny vokatra dia hita ho misy elanelany be ny fahaizan’ireo Barea nanao CAN sy CHAN. Tokony ho taitaitra daholo amin’izay ireo tompon’andraikitry ny baolina kitra Malagasy manomboka amin’ny mpitantana minisitera ka hatramin’ny mpitantana klioba. Raha tiana ny hampandroso dia ireo klioba tsirairay mihitsy no tokony hokarakaraina fa tsy hoe manohana ny baolina kitra fotsiny kanefa tsy manonona klioba, hoy izy. Efa manomboka fantatra izao i Madagasikara ary ireo mpila ravinahitra ao amin’ny Barea zokiny dia na nohavaozina ho amin’ny tsara kokoa ny fifanarahana amin’ny kliobany avy ary izy ireo sy izay nifindra klioba moa dia sady iriana mba hitondra fampandrosoana sosialy sy ekonomika eto amin’ny firenena atsy ho atsy. Toa an’i Sadio Mané izao, hoy hatrany ny fanazavany, dia manampy hopitaly sy sekoly ao Senegal.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT