Sport

Tolona – Tompondakan’i Afrika 2020 tany Alger Tompondaka lefitra i Manitra Raharison Roma


  • Talata 11 Febroary 2020

Nifarana omaly alahady 09 febroary 2020 tao amin’ny “Coupole d’Alger” any Algerie ny fifaninanana fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja tolona sokajy “cadets”,

 

 

 

“juniors” ary “seniors” sy vehivavy ka nisongadinan’ireo firenena any Maghreb notarihan’i Egypte niaraka tamin’i Nigeria ny fahazoana anaram-boninahitra sy medaly be indrindra.  Ho an’ny solontena Malagasy manokana nahitana mpilalao 3 mianadahy (Randrianatoandro Falihery -65 kg, Rasoanantenaina Emma – 53 kg vehivavy ary Raharison Roma -86 kg  mpila ravinahitra any Frantsa nandray anjara tamin’ny fifaninanana dia ity farany no nibata ny medaly volafotsy teo amin’ny sokajin-danja nisy azy ka voahosotra ho tompondaka lefitra fa irery roa voalohany dia nihintsana tany amin’ny fifanintsanana avokoa. Fantatra fa hiverina an-tanindrazana anio ny delegasiona Malagasy avy any Alger afa-tsy i Manitra Raharison izay hitodi-doha hiverina avy hatrany any Frantsa. Hisaorana be dia be ny Ambasady Malagasy any Alger notarihan’ny “Chargé d’affaire”, Rafalimanana Jeannie, hoy ny filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Tolona, nandray sy nanotrona hatramin’ny farany an’ireo atletantsika tany Alger ireo.

Marihina fa ireo sokajy nandraisana anjara  tany Alger ireo no hahafahana handefasana atleta Malagasy hiatrika ny “2e qualification olympique Tokyo 2020”  hotanterahina any Maroc amin’ny 9 ka hatramin’ny 15 martsa ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT