Sport

Tolona – Afrika Nahena antsasany ny isan’ireo mpikatroka ho any Ejipta


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Mpikatroka efatra ihany no mety handeha hihazo an’i Ejipta hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Hatreto aloha, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tolona, Raveloson Mamitiana dia voafetra ho efatra ihany ireo solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika

 

amin’ny taranja tolona ho an’ny sokajy “cadet”, “junior” ary “sénior” izay hatao any Alexandria Ejipta ny 27-31 mey izao. Atleta fito no efa nomanina hiatrika ity fifaninanana kaontinantaly ity fa rehefa natao ny fifampidinihana tamin’ny Tafita dia mety ho efatra ihany no zakan’ny sarandalana hiantohan’io rafitra io. Marihina fa ireo tompondaka isan-tsokajiny nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tany Toamasina ny faramparan’ny volana aprily teo no nifantenana ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly. Sokajy lehilahy avokoa ireo heverina fa efatra handeha any Ejipta dia Rakotoariniaina Aime Mbolalaina (60kg junior/sénior), Ralaivita Joelison (74kg sénior), Ratolojanahary Todisoa (70kg sénior) ary Andriamalala Antonio (58kg cadet/sénior). Ny alatsinainy 23 mey izao moa no heverina hanainga ny delegasiona malagasy ka Rakotoniaina Aime Michel ho mpanazatra hitarika izany. Tsara ny manamarika fa tsy mbola hisy tafiditra amin’ny fiadiana tapakilan’ny Lalao olimpikan’i Rio 2016 ireo fifaninanana kaontinantaly amin’ity taom-pilalaovana ity.   

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT