Sport

TOLOGNA 2014 Mifampitologna ara-panatanjahan-tena ao Fandriana ireo mpianatra 600 mahery


  • Talata 03 Jona 2014

Raikitra ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena an-tsekoly eo anivon’ny ambaratonga faharoa sy fahatelo ao amin’ny Cisco Fandriana.

 Nanomboka ny sabotsy 31 mey lasa teo izany ary hifarana anio talata 03 jona 2014. Nisalotra ny anarana “Tologna 2014” ity fifaninanana ara-panatanjahan-tena ity, izay itoloman’ireo mpianatra 600 mahery avy amin’ny sekoly 50, ZAP 28 ao anatin’ny Kaominina 13 mandrafitra ny Distrikan’i Fandriana. Ny taranja atletisma, baolina kitra, baskety ary hand-ball lahy sy vavy no taranja ifaninanana. Nambaran’ny lehiben’ny Cisco ao Fandriana, Randranto Rija fa nitombo ireo ekipa mpanao baskety izay nahatratra 22 raha 10 izany teo aloha. Vokatry ny fanofanana ireo mpampianatra ara-panatanjahantena no nahatonga ny vokatra ho tsara. Niatrika ny fanokafana ôfisialy ity lalao ity ny sabotsy teo ny depioten’i Fandriana Toto Raharimalala Lydia izay nanolotra omby iray sy baolina roa ho an’ireo mpandray anjara. Marihana fa ao Fandriana no hanatanterahana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena an-tsekoly reziônalin’ny Faritra Amoron’i Mania hanomboka amin’ny herinandro aorian’ny fanadinana bakalôrea izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT