Tonga nitsidika ny toerana hananganana ilay fotodrafitrasam-panatanjahantena lehibe ao Toliara, omaly alarobia 31 jolay 2019, ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,Atoa Tinoka Roberto.
Goavana dia goavana izy ity, hoy izy, fa hahitana dobo filomanosana manara-penitra (piscine olympique semi-couvert) izay manana halavana mirefy 50m (piscine de compétition ) sy dobo fanomanan-tena mirefy 25m (piscine de préparation), ary koa "Gymnase sy gradin" izay mahazaka mpijery 1000 isa.hisy fefy sy toerana fiantsonam-piarakodia ety ivelany. Manamorona ilay moron-driaka an-damonisin'ny "kianjan'ny Marimar"izy io. Marihana fa tafiditra ao anatin'ny Velirano faha-13 izay nataon'ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ity fanorenana fotodrafitrasa ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.