Sport

Toky COSFA Mandravarava anaty PFL


  • Alarobia 21 Mey 2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra ny lohalaharan’ny COSFA, Toky na Toky COSFA. Lalao miisa 11 izay no vita. Baolina miisa 10 no matiny. Miisa 6 koa ny tolotra tsy azo ivalozana na «passes décisives», izay nitondra ny ankamaroan’ireo fandresen’ity klioba ao amin’ny divizionina voalohany matihanina ity. Voafidy ho mpilalao mendrika na «homme du match» izy nandritry ny fihaonana teo amin’ny COSFA sy Disciples FC, teo amin’ny ¼-dalana mandroson’ny tsotsoromamba na Playoffs PFL. Hita ao anatin’ireo 11 mendrika tao anatin’iny ¼-dalana iny ihany koa, araka izany, ny lehilahy tao anatin’izay lalao miisa 11 vita hatreto izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT