Sport

Toeran’ny Barea iray hanao CHAN 2022 “Nafoy ho an’olona hanao selfie sy hitsangatsangana”


  • Zoma 13 Janoary 2023

Tsy misy idiran'ny mpanomana na “staff” teknika ny tsy fandehanan'i Radokely any Alzeria, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,

manoloana ny savorovoro eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea hiady ny tompondakan’I Afrika manoloana ity toe-draharaha ity. Ny mpanazatra, hoy izy, efa niady sy niangavy handehanan'i Radokely sy Bancé hiantohantsika malagasy satria izy mirahalahy dia ivelan'ny mpilalao miisa 23 hiantohan'ny CAF rehefa tonga any Alzeria. Tsy ny “staff” teknika no mitantana ny vola sy manapaka. Tsy ampy ireo “staff” teknika ireo. Tsy afaka analàna. Ny serasera fotsiny izao dia hitantsika hoe marefo. Tokony nasiana mpampita serasera na "communicateur" na dia iray fotsiny aza niaraka tamin'izy ireo. Ny vahaolana dia ny nanampy ny mpikambana ao amin’ny delegasiona. Eo ny manahirana ny mieritreritra azy hoe nisy delegasiona nivantana ho any Alzeria, efa nifanarahana fa tokony anisany i Radokely dia maninona no najanona tamin'ny fotoana farany? Anisan'ny ao anatin'io delegasionina io ny filohan'ny FMF izay tsy maintsy hanatrika fivoriana any Alzeria sy ireo tomponandraikitra mitana andraikitra any. Ireny dia “tsy maintsy” mankany fa ny ankoatr'ireo izay tsy maintsy mankany? Izay ilay noteneniko hoe nafoy ho an’olona hanao “selfie” sy hitsangatsangana ny toeran'ny mpilalao iray. Aleoko lavitra dieny tamin'ny fiantombohany dia niteny izy ireo hoe 23 ihany no mpilalao fa tsy manam-bola isika dia izay. Izany rehetra izany tsy manakana ahy hanohana ny Barea hatrany amin'ity fifaninanana CHAN 2022 ity. Tsy hoe misy zavatra tsy nazava tamiko dia ny ekipam-pireneko no hankahalaiko. Tsy manana firenena ankoatran'i Madagasikara aho dia tohanako ny ekipako. Alefa Barea, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT