Sport

Toerana hifandonan’ny Barea sy ny Elefanta Mbola mametraka adihevitra be


  • Zoma 06 Novambra 2020

Resaka fivoahana ara-kasa dia azo atao ao Frantsa, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena,

 

 

Tiana Ranaivoson, nanazava ny fahitany ny mety ho fanapahan-kevitra farany momba ny lalao eo amin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenena ivoarianina izay tokony hanomboka ny 12 novambra izao. Ny tena olana amiko dia ilay toerana hanaovana ny lalao mandroso. Ny mpanazatrantsika efa nilaza fa tsy hitondra ny mpilalaony any Cote d’Ivoire noho ilay raharaha politika mahamay any. Ho tanterahana amina “terrain neutre” ve? Ny lalao mandroso izany izao no mametraka olana fa ny lalao miverina efa manomana an’I Toamasina io ny federasionina Malagasy. Ny mampiavaka antsika amin’ny firenen-kafa dia ny hoe ilay firenena tokony hanaovana ny lalao no mikorontana. Aza adino fa ny ivoarianina tany am-boalohany nanao fangatahana tany amin’ny kaonfederasionina afrikanina satria hoe nidintsika ny seranany nefa tsy tena izay ilay izy. Isika indray izao no mametraka fangatahana any amin’ny CAF hoe tsy hiditra any fa iaraha-mahita ny toe-draharaha politika any Cote d’Ivoire. Ny mety izany dia hoe na ho tanterahana eto amintsika ny lalao mandroso sy miverina satria na ireo firenen-kafa mety afaka handray izany aza mety hatahotra io Coronavirus io koa. Nanome “organigramme de match” moa iny ny federasionina ivoirianina, izay tena risika be raha io no tanterahana, indrindra hoe azo jerena maimaimpoana izany ilay lalao, hoy hatrany ny tenany. Mbola mametraka ady hevitra be araka izany ny mikasika izay toerana izay, raha ny fijeriny hatrany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT