Sport

Tinoka Roberto « Ny lalaon’ny nosy no tena mahamaika antsika »


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Hita ho mipoipoitra indray ato anatin’ny roa herinandro izao ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto raha tsy re sy tsy hita am-bolana maro.

Efa tazana tamina fitsidiham-paritra niaraka tamin’ny filoham-pirenena izy, ary dia manomboka miseho etsy sy eroa ka anisan’izany ny nitranga omaly talata dia ny fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.Nijery ny kianja ihany koa ingahy Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin' ireo tompon'andrakitra isan-tsokajiny eto anivon'ny minisitera.Ny 23 aogositra ka hatramin’ny 5 septambra 2023 moa no hanatanterahana ny lalaon’ny nosy eto Madagasikara.Io no laharampahamehana ho an’i Madagasikara hoy ny minisitra omaly raha nitsena ireo ekipam-pirenena Malagasy amin’ny Basketball lalaovin’olon-telo izy.Afantoka any ny fiomanana sy ny ezaka ; nomarihina fa tsy hoe manamaivana ilay CJSOI izay tanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy amin’izao fotoana fa manana ny politikany momba ny fanatanjahantena ny fanjakana, misy ny lamina sy ny laharampahamehana napetraka dia izay no tanterahina fa tsy hoe voatery hanaraka ny resabe etsy sy eroa, na ny ady hevitra any anelakelan-trano ny fanjakana. Tanjona ho an’i Madagasikara ny hahazo ny medaly be indrindra amin’io lalaon’ny nosy amin’ny herintaona io , hoy ny minisitra Tinoka Roberto izay somary nanindrona paingotra kely ireo mpanakiana miandry izay zavatra kely tsy mety fotsiny dia mitabataba etsy sy eroa, tsy mety izany hoy izy ary tsy tokony ampidirana resaka politika ny fanatanjahantena.Tsara ho marihina moa fa ny 20 jolay tamin’ity taona ity no nanamafy ny handraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny nosy amin’ny taona 2023 ny filankevitry ny minisitra. Dia taitra tamin’ny torimasony izany ny minisitry ny fanatanjahantena rehefa tsy hita popoka fotoana elaela ihany, ary efa nahoraka be aza fa hoe manana olana ara-pifandraisana amin’ny governemanta mihitsy izy. Iny eo ihany fa nampitombo ny fahasosoran’ny mpankafy fanatanjahantena hatry ny omaly ilay filazana fa tsy dia mankaiza ny resaka CJSOI fa ny lalaon’ny Nosy no tena izy ; izany ve no fanazavana olona hoe tompon’andraikitra hoy ny mpanara-baovao.tahaka ny miteny hoe ny vary no tena foto-tsakafo ka tsy dia maninona loatra aza na tsy misy loaka.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT