Tillo Andriamiharinosy

“Betsaka ny fanantenana ho an’ny Handball”


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Tsy ho ataon'ny olona ho fakana isa intsony kosa aloha ny handball! Izay ny resaka nifanaovanay omaly teny

Vontovorona raha nanontaniana ny ho mety ho vokatra azon'ny anio ity mpanazatra ny ekipa lehilahy ity. Matotra ny fanazaran-tena tamin'ity indray mitoraka ity ka efa tena tsara ny ankizy hoy ihany i Tillo. Eo amin'ny lehilahy izay tantanany dia manana tombony izy satria dia mpilalao avy any Toliara ny 80 isan-jatony izay efa zatra miaraka la mifankahita any anaty ady. Misy ireo efa zatra lalaon'ny iraisam-pirenena toa an'i Falisoa sy Francky. Raha eo amin'ny vehivavy dia efa nandresy an'' i Seychelles ny andro voalohany. Avy eo dia nandresy Maorisy Ary omaly Dia nomontsanin'i Judith sy ny namany ry Comores. Hentitra toy ny mahazatra azy rahateo ny mpanazatra Seth Ramiandrasoa ka tena mifantoka ny ankizy. Ny tombatombana aloha na ho an'ny lehilahy na vehivavy dia ny famaranana hihaonana amin'i La Réunion.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT