Sport

Tiger Woods mpiangaly “golf” Notoloran’i Trump ny mariboninahitra ambony indrindra


  • Alarobia 08 Mey 2019

Nosaloran’ny filoha Amerikanina Donald Trump ny “Médaille de la liberté » tao amin’ny Maison Blanche i Tiger Woods mpiangaly ny taranja « golf »,

 telo herinandro taorian’ny nibatany ny fandresena tsy nampino azony, ka nibatany ny amboaran’ny “Masters d’Augusta”. Io “Médaille de la liberté” io no mariboninahitra ambony indrindra azo homena ny sivily any Etazonia. "Ny fahombiazanao nisongadina teo amin’ny tontolon’ny golf, ny fandresenao na eo aza ny fahasahiranana ara-batana, ny fahavononana tsy voahozongozona handresy, handresy, handresy ... ireo toetra ireo dia manamafy sy taratry ny toe-tsaina Amerikanina", hoy i Trump. "Zava-dehibe tsy manam-paharoa ho ahy izao", hoy i Woods namaly, ary nisaotra ireo izay nanohana azy hatrany na tamin’ny tsara na tamin’ny ratsy. Faha-15 amin’ny amboara lehibe azon’i Tiger Woods tao anatin’ny 11 taona iny Masters d’Augusta iny, ary tao anatin’izay dia nisedra fandidiana in’efatra tao amin’ny lamosina, olana ara-panambadiana noho ny fanitsakitsahana ara-tokantrano. Hindrahindraina ho anisan’ny olona malaza indrindra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ity Amerikanina mpiangaly “golf” fanta-daza ity. Any ivelany, homen-boninahitra mendrika azy ny olona manandratra ny lazan’ny fireneny....

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT