Tiantsoa Sarah Rakotomanga

Mamiratra amin’ny


  • Alarobia 03 Jona 2026

Roland Garros 2026

20 taona ankehitriny ilay tovovavy kintan’ny taranja Tennis malagasy, Tiantsoa Sarah Rakotomanga. Isan’ireo miatrika ny fifaninanana iraisampirenena goavana eo amin’ity taranja ity ao Parisy, Frantsa, amin’izao fotoana izao, dia ny Roland Garros moa ny tenany ankehitriny ary azo lazaina ho mamiratra ao anatin’izany. Azo lazaina ho fitaratra ho an’ny hafa ny ezaka vitany hatreto. Tsiahivina fa nialohan’izao dia tompondakana fifaninanana lehibe anatin’ny WTA natao tany São Paulo, Brezilina, ihany koa ny tenany. Isan’ireo mpilalao mendrika miisa 120 manerantany izy amin’izao fotoana izao. Na teo aza ny fahareseny nanoloana ilay laharana faha 6 maneranta eo amin’izay fandaharan’ny WTA izay, Amande Anisimova, tanatin’izao Roland-Garros 2026 izao, dia tena nahaliana ireo mpanaraka ity fifaninanana ity sy ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena any an-toerana ny lalao nasehon’i Tiantsoa hatreto. Tsy nampitsanga-menatra azy ireo mpilalao avo lenta mifaninana anatin’ity fifaninanana iraisampirenena goavana ity. Tanjony manokana, raha ny nambarany, ny ho tafiditra Top 50 na isan’ireo mpilalao miisa 50 mendrika indrindra manerantany ary handrombaka fifaninanana goavana. Hafatra napetrany ny hoe «Asa, fitsipika, fikirizana, ireo no maha tanteraka ny fikasàna rehetra.». Azo resena tsara ireo mpilalao goavana, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT