Sport

Tiana Ratsimbazafy "Ho sarotra raha tsy misy ireo mpilalao avy any ivelany"


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Andrarezin'ny tenisy ambony latabatra raha i Tiana Ratsimbazafy, ary fa impoli Kely izy no tompon-dakan'i Madagasikara.

Ny teny mampiaiky volana dia azony daholo ny fifaninana rehetra hatrany amin'iny be antitra ka hstrany amin'ny olon-droa miaraka vavy sy lahy. Tena mafy raha i Tiana Ratsimbazafy ary izy no vahinin'ny Tia Tanindrazana anio hiresaka momba ny Lalaon'ny Nosy.

Tia Tanindrazana : Aiza ho aiza ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ho an'ny tenisy ambony latabatra ?
Tiana Ratsimbazafy:" Efa nanana programa maty paika ny federasiana Ary isan'izany ny fandefasana ireo tanora hiofana mandritry ny efa-bolana any amin'ny Sinoa Mino aho fa hiakatra ny haavo teknikan' izy ireo miverina avy any indrindra ho an'ny lehilahy".
TT : Ary ny vehivavy ve mba efa misy mandimby anao ?
T.R. : "Efa misy manangasanga ihany fa io moa miankina anton'ny fanomanana ihany. Ho mafimafy anefa satria n'y nosy hafa efa betsaka no manomantena any ivelany.".
TT Raha izany dia mety tsy ahazo medaly Indray isika.
T.R.: "Aiza kosa e. Eto amintsika anie ny Lalao no hatao e. Na izany aza ho sarotra raha tsy misy ireo mpilalao avy any ivelany. Henoka fa hamafatra any ireo n'y federasiona Ary isan'izany i Jonathan Nativel izay efa tsy zoviana intsony fa efa tany amin'ny Lalao Afrikanina farany teo niaraka tamin-dry Setra, Lino ary Takko.. Mino aho fa afaka mampijoro ekipa tsara isika indrindra fa manohana ny fanjakana."
Nangonin'i Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT