Tsotra be ny tokony atao amin’ny fikarakarana lalao fanomanana toy io mampisavoritaka eo amin’ny resaka Barea ankehitriny io, hoy ny mpandrindra ankapoben’ny fikambanana Alefa Barea, Tiana Ranaivoson.
Na iza na iza firenena raha te hikarakara izany dia mila manana ny atao hoe “agent de match”, hoy izy. Izahay matoa nahavita ireny lalao ara-pirahalahiana maro ireny dia naka alalana tamin’ny federasionina teo aloha niaraka tamin’ny filohanay, Lova Ramisamanana, ny taona 2019. Ny antony dia nanananay ny fahafahana sy traikefa amin’ilay fikarakarana sy fitadiavana lalao. Manana “agent de match” dia Herman de Souza izahay. Manana ny fankatoavan’ny FIFA izy io izay mikarakara ankehitriny an’io fihaonan’i Ghana sy Qatar io. Tsy manana traikefa hikarakara lalao iraisampirenena ny federasionina fa mila izay “agent de match” izay. Efa nanatona ny federasionina ankehitriny izahay mba hanomezany anay ny fahafahana mitady sy mikarakara lalao saingy tsy nohenoina. Iaraha-mahalala anefa fa tsy misy loha ankehitriny ny FMF ary tsy misy mpanapa-kevitra noho izany. I Ghana no efa voaoman’i Herman de Souza hihaona tamintsika saingy tsy nety ny FMF dia nomen’ilay “agent de match” an’i Qatar indray ny ganeanina. Izany hoe efa votsotra taloha io Ghana io fa ny mety raha tena manana finiavana dia miantso “agent de match” ny fitondrana sy ny minisitera, hoy hatrany ny Alefa Barea.
J. Mirija
Legende: Tiana Ranaivoson
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.