Sport

The Vintage Cup Fifaninanana an’olon-droa eny Ilafy


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Hikarakara fifaninanana indray ny Country Club Ilafy. Hotontosaina ny 3-4 oktobra izao ny «The Vintage Cup” izay fifaninanana an’olon-droa lahy sy vavy miaraka ka fanasana manokana no ahafahan’ireo mpifaninana mandray anjara

 

. Misokatra ho an’ireo mpilalao ao amin’ny sokajy “1e série” araka ny filaharana farany eny anivon’ireo ligy ity fifaninanana ity ka ireo mpilalao 12 taona no ho miakatra no afaka mandray anjara. Hatambatra anaty gropy tokana moa ireo mpifaninana rehetra. 2x15 minitra ny faharetan’ny lalao iray ary antsapaka no hamaritana izay mandefa baolina voalohany. Hampiavaka ny fifaninanana ny fameran’ny mpikarakara mba ho akanjo sy fanamiana fotsy no hanaovan’ireo mpilalao. Hiantohan’ny mpikarakara moa ny akanjo ambony izay polo. Ny 26 septambra no farafisoratana anarana eny amin’ny Country Club Ilafy. Efa tafiditra ao anatin’ny saram-pandraisana anjara moa ny sakafo, rano, baolina, fitsaboana mandritra ny fifaninanana.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT