Sport

Thb Champions League Nandresy fanindroany ny 3Fb Toliara


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Taorian’ny nandreseny ny CNaPS Sport Itasy tany Andaboly Toliara tamin’ny andro faha-3 eo amin’ny dingana faha-2 amin’ny « Thb Champions League Malagasy 2019 »

 

 

 

dia nahazo fandresena fanindroany ny ekipan’ny 3Fb Atsimo Andrefana raha nifanandrina tamin’ny  As Jet Mada Itasy tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina teo amin’ny andro faha-4 amin’ity fifaninanana ity tamin’ny sabotsy 11 mey 2019 teo. Baolina matin’i Eusèbe n° 17 tany amin’ny minitra farany tamin’ny fanampin’ora 90’+2 no niantoka an’io fandresen’ny 3Fb io.

 

Ireo vokatra hafa teo amin’ity andro faha-4 –n’ny dingana faha-2 ity : CNaPS Sport Itasy 2 – 0 Ajesaia Bongolava ; Zanak’ala Matsiatra Ambony   1 - 2  As Adema Analamanga ; Fosa Juniors Boeny   0 - 0  Fca Ilakaka.  Nahatratra 8 tapitrisa ariary ny lelavola voaangona ka hatolotry ny ligin’ny baolina kitra any Matsiatra Ambony sy ny Zanak’ala Fc hanohanana ny Barea miatrika ny CAN 2019 araka ny fampanantenana nataon’izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT