Noho ilay taratasy laharana 036-19/MJS/SG/DGS avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Spaoro Malagasy,
Rtoa Rosa Rakotozafy tamin’ny 14.mey.2019 amin’ny tokony hanemorana sy handrosoana an’ireo lalao fanatanjahantena tanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity noho ny fifidiana hatrehana dia naroso ho rahampitso alarobia 22 sy rahafakampitso alakamisy 23 mey 2019 ny fanatanterahana ny andro faha-5 amin’ny Thb Champion’s League Malagasy efa voafaritra fa hatao amin’ny 25 na 26 mey izao. Rahampitso alarobia etsy Mahamasina : As Jet Mada # Cnaps Sport ; any Mahajanga : Fosa Juniors # Ajesaia ary any Toliara 3Fb Toliara # Zanak’ala Fc. Amin’ny alakamisy 23 mey kosa etsy Mahamasina : As Adema # Fc Ilakaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.