Sport

Thb Champions League Malagasy 2019 Mitetika hanao pao-droa ny Fosa Juniors Boeny


  • Talata 04 Jona 2019

Noho ny efa naha voafandrika ny kianjan’i Mahamasina amin’ny andro sabotsy 8 sy alahady 9 jona izao tokony hanatanterahana ny andro faha-7 farany eo

 

amin’ny Thb Champions League Malagasy 2019 hifandonan’ny As Adema Analamanga sy ny Fosa Juniors Boeny dia  haroso  amin’ny zoma 7 jona izao amin’ny 2:30 io lalao io izay hiankinan-java-dehibe tokoa satria mitetika ny hanao pao-droa ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny izay efa mitarika an’isa 14 vonjimaika taorian’ny andro faha-6 ka lasa isa 17 izany ny azy raha maharesy eo. Raha sanatria resin’ny As Adema kosa ny Fosa Juniors dia mazava ho azy fa ity ekipan’ny Ivato Seranana ity izay hanjary hanana isa 15 no ho voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny baolina kitra sokajy D-1 2019. Ny  As Jet Mada Itasy manana isa 4 ankehitriny eo amin’ity fifaninanana ity dia handray ny Fc Ilakaka Ihorombe isa 6 etsy Mahamasina koa amin’io zoma 7 jona io fa amin’ny 12 ora atoandro. Mety ho amin’ny zoma ihany koa na amn’ny sabotsy 8 jona no hantanterahana eny Vontovorona ny lalaon’ny CNaPS  Sport Itasy isa 8 sy ny Zanak’ala Fc Matsiatra Ambony isa 12 amin’ity andro faha-7 farany ity fa amin’ny alahady 09 jona kosa no hanatanterahana ny fihaonan’ny 3Fb Toliara sy Ajesaia Bongolava any Andaboly Toliara.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT