Thai league

Tsara fiditra ry Amada sy Njiva


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Fandresena 0 noho 1 an-tanin’olona avy hatrany nanoloana an’i Nakhon Pathom United

no azon’ny Ratchaburi FC nandritry ny fanombohana ny tompondakan’i Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra ho an’ity taona ity na ny Thai league 2023-2024, raha ny voka-dalao voaray ny faran’ny herinandro teo. Tsara fiditra, araka izany, ireo mpilalao malagasy ao amin’ny Ratchaburi football club dia ny lohalaharana, Njiva Rakotoharimalala, sy, indrindra, Ibrahim Amada, izay eo afovoanin’ny kianja, izay niatrika ny lalao voalohany niarahany amin’ity klioba sangany divizionina voalohany ao an-toerana ity. Isan’ireo 11 voalohany najoron’ny mpanazatra moa ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea teo aloha ity. I Njiva kosa mbola tsy afaka nilalao noho ny ratra nahazo azy, izay ahiana haharitra andro maromaro mihitsy. Mirary soa azy mirahalahy hatrany na izany na tsy izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT