Sport

Tezitra ny mpanao fanatanjahantena Nomena sekta ny kianja Rasolonjatovo ?


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Mampiaka-peo ankehitriny ny mpitia fanatanjahantena any Alaotra manoloana ny fampidirana antokom-pinoana manao vondrom-bavaka ao amin’ny kianja Rasolonjatovo -Ambatondrazaka. Kianja izay nandanian’ny vahoaka vola be sy fotoana vao tafarina indray

Nifanarahana, hoy ny komity mpitantana vonjimaika ny kianja fa tsy misy zavatra hafa hampidirina ao amin’ny kianja afa tsy ny  fanatanjahantena ihany, ankehitriny  mirentirenty petadrindrina fa hisy vondrombavaka mandritra ny hefarana ao amin’ny kianja. Lasa fiangonana ary ve ity kianja ity sa ahoana ? Tankina ny mpitia fanatanjahantena. Milaza ho tsy mahalala na inona na inona ny komity, siosion-dresaka no nahafantarana fa mandoa vola ilay fiangonana hampiasa ny kianja ary tompon’andraikitra ambony eto Antananarivo no nanao tsindry bokotra tsy maintsy hanatanterahana io vondrom-bavaka io ao amin’ny kianja Rasolonjatovo. Fanjakana izay tsy nanome na vary iray venty   tamin’ny  fanamboarana ny kianja indray izany  ity no manao tsinontsinona ny hatsembohana lanin’ny vahoaka. Ho tantara mitohy, araka izany, ity resaka kianja Rasolonjatovo ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT