Sport

Tetikasa “National Barefoot College” Vehivavy 17 nivoaka ho injeniera


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Notanterahina ny 10 martsa teo tany amin’ny Ivon-toeram-piofanana Barefoot College any Tsiafajavona ny

famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vehivavy injeniera antsoina hoe FIS (Femmes Ingénieures Solaire) andiany faha-5, nisalotra ny anarana indray mihira « Fitsinjovana ». Vehivavy miisa 17 avy amin’ny tanàna miisa 4 izy ireo, dia avy any amin’ny distrikan’i Tsihombe, Ambilobe, Ampanihy, Manja. Niofana momba ny teknolojia nanomboka ny septambra 2022, ka ny teknolojia momba ny masoandro sy ny «cursus ENRICHE » izay mikendry ny fahavitan-tena ho an’ny vehivavy na « autonomisation des femmes » no nohalalininy. Taorian’ny fiofanana nataony, afaka mitondra hazavana any amin’ny toerana nihaviany avy izy ireo. Ankehitriny, mahafehy ny “montage des circuits électroniques et des composants” sy ny maro hafa mifandraika amin’izany izy ireo. Ny fandaharan’asa PNBC (Programme National Barefoot College) izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo no nahafahan’izy ireo nisitraka izany. Efa hatrany amin’ny 2017 io fandaharan’asa io, 88 hatreto ireo vehivavy avy amin’ny tanàna 26 efa nofanina lasa injeniera, ary miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny PNBC ka anisany ny WWF (World Wide Fund for Nature), MNP (Madagascar National Parks), WCS (Wildlife Conservation Society), SAF/FJKM (Sampan'Asa momba ny Fampandrosoana FJKM), PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement).
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT